- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nojerem-potsiny indray ny afo, orinasa iray kila tanteraka

Antsirabe : Nojerem-potsiny indray ny afo, orinasa iray kila tanteraka

Orinasa iray antsoina hoe Jouve izay misehatra amin’ny asa firaiketana an-tsoratra avy amin’ny solosaina ny asan’ny orinasa any ivelany no nirehitra. Ny alin’ny asabotsy taorian’ny firavàn’ny mpiasa, izany hoe tamin’ny sivy ora mahery, no nisy nahatsikaritra ny firehetana. Nahazo vahana be izany satria sady maina ny andro no nisy tsio-drivotra tamin’io fotoana io. Na teo aza ny fikasàna ny hanao izay vita, ho an’ireo izay nahita, dia tsy afa-nanoatra satria nihidy ny trano ary tsy maintsy niandry ny fahatongavan’ny tompon’andraikitra vao nisokatra. Mba niezaka ihany ny olona ny namono afo saingy toa ireo hain-trano izay nitranga tao Antsirabe tao anatin’ny folo andro izay, dia tsy voafehy ny fihanaky ny afo. Ny antony dia noho ny tsy fisian’ny mpamonjy voina ao an-toerana. Orinasa iray ihany ary tsy mifanalavitra amin’ny toerana nirehitra no nisy ny foibeny no manana kamiao mpamonjy voina ao Antsirabe. Tsy azo terena anefa izy amin’ny maha-tsy miankina azy no koa nisy fotoana namonjy voina dia notorahan’ny olona vato satria nolazaina fa tara. Nanomboka teo dia tsy nety nivoaka ny orinasa intsony ny fampiasàna ilay fitaovana. Vokatr’izany rehetra izany dia tazanim-potsiny sisa ny afo rehefa mirehitra ao an-toerana. Efa mandeha ny taratasy fifanarahana amin’ny federasionan’ny mpamonjy voina ao Frantsa ny amin’ny mba hanomezana fitaovana ny kaominina Antsirabe, raha araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna. Ny ministeran’ny fiarovam-pirenena, ny kaominina Antsirabe ary ny federasiona frantsay amin’ny mpamonjy voina no nanasonia izany. Mila hafainganina faran’izay maika ny fanatontosàna izany, satria tena mijaly ny olona rehefa mirehitra ny afo. Andrasana ny fanamoran’ny fanjakana izany mba tsy hampitarozaka ny vokatra. Ilaina koa anefa ny vahaolana vonjimaika toy ny fifanarahana amin’ny orinasa manana mpamonjy voina aloha mandra-pahazoan’ny kaominina ny azy manokana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici