- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nopoizinina ny mpamily, nanjavona ny entana 200 tapitrisa Ariary

Antsirabe : Nopoizinina ny mpamily, nanjavona ny entana 200 tapitrisa Ariary

Efa tambajotra iray mihitsy ireto mpangalatra ireto : misy ny mampiresaka, ny mpanome poizina, ny mpitondra fiara ary ny mpanafina ny entana. Tafakatra fito hatreto no voasambotry ny zandary, ka ny telo amin’ireo no vehivavy. Nipetrapetraka tanteraka ny teti-dratsin’ireto mpangalatra nentina nitaomana an-tsokosoko ny entana nentin’ity fiarabe iray tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Raha ny fanazavana nentin’ny zandary dia ankevitry ny efa fantatr’izy ireo tsara an-tsakany sy andavany ny lalanan’izany fiara izany sy ny zavatra nentiny, izay mitotaly any amin’ny 200 tapitrisa ariary any ho any. Tany am-boalohany aloha dia efa misy mpivady roa nanatona ilay mpamily. Nilaza fa manana kafe aman-taoniny maro alaina any Fiaranarantsoa. Raikitra ny ady varotra sy ny fifanarahana ary nentina izy roa ireto. Nanana olana ara-teknika anefa ny fiara teo Antsirabe ka tafajanona teo. Nanomboka teo no nihatra ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy. « Nanolo-tena izy mivady fa manana namana mpivarotra kodiarana saingy tamin’ny 8 ora alina vao niverina ary tsy nahita ilay vahaolana. Sakafo masaka no nentiny avy any saingy tsy nahinana maro izy roalahy fa toa hafahafa ilay sakafo. Nijanona hiandry maraina. Nisotrosotro toaka efa voaomana misy fanafody. Mamo, ka nampatoriana tanaty trano hafa ny mpamily ». Nony nahatsiaro tena ilay mpamily sy ny mpanampy azy ny ampitso maraina, indrisy fa efa foana tanteraka ny fiarabe. Tsy hita ihany koa ny tany nanjavonan’ilay mpivady niaraka taminy. Nandritry ny alina tsy nahatsiarovan’ilay mpamily tena mantsy dia efa nentin’izy ireo, (efa nisy mpamily voaomana hafa) niala teo ny fiara ary nafindra tany amin’ny toerana hafa ny entana. Nametraka fitoriana avy hatrany ny mpamily taorian’izay ka nanokatra ny fanadihadiana ny zandary. Andro vitsy taty aoriana, namokatra ny famotorana. Voasambotra ireto mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpivady, hita ihany koa ny entana. Nanaraka mazava ho azy taty aoriana ny fahatratrarana ihany koa ireo voalaza fa mpivady, niaraka tamin’ny naman’izy ireo hafa, tompon’ny trano nanafenana ireto entana halatra. Efa eo am-pelan-tanan’ny zandary izy fito ireto, ary efa miatrika ny famotorana. Mbola mandeha kosa ny fikarohana izay mety ho olona hafa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici