- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nosamborin’ny pôlisy ireo mpaka trondro tao Andranomaimbo

Antsirabe : Nosamborin’ny pôlisy ireo mpaka trondro tao Andranomaimbo

Niroso tamin’ny fisamborana ireo mpaka trondro ao Andranomaibo ihany ny polisy teto Antsirabe. Olona dimy no voasambotra ny herinandro lasa teo, marihina fa tratra teo ampinihika mihitsy izy dimy lahy voasambotra ireto. Efa ela no tsikaritra fa fisian’ireo mpaka trondro ao Andranomaimbo ary miandahy miam-bavy mihitsy izy ireo. Araky ny filazan’ireo mponina eny amin’ny manodidina dia hataon’ireo mpaka trodro ireo sakafony ihany ny trondro azony raha toa ka kelikely saingy hamidiny kosa rehefa maro no azony. Tsy misy hamantarana azy rahateo ny trondro avy amin’ity dobo maloto ity fa toy ireny trondro rehetra ireny ihany saingy rehefa andrahoina kosa dia mamoaka fofoana ratsy.

Marihina fa voararan’ny lalana ny fivarotana zavatra miteraka vokadratsy  ho an’ny fahasalamana.  Vokatr’izay indrindra no nanavaon’ny polisy hetsika manokana nisamborana ireo mpaka trondro ao Andranomaimbo ireo.

Tsipihina fa andraikitry ny fiadidina ny tanan’Antsirabe ny fitantana io farihin’Andranomafana io fa saingy tsy afa nitaza-potsiny ny polisy raha ny fanazavana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici