- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Omby roa lasan’ny jiolahy, tafaverin’ny UIR ny iray

Antsirabe : Omby roa lasan’ny jiolahy, tafaverin’ny UIR ny iray

Nisehoana fanafihan-jiolahy tao  Ambositrakely, ao atsimon’ Andrangy Antsirabe voalohany, ny alin’ny Alahady teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny omby lehibe roa tao amina tokantrano iray. Tokony ho tamin’ny 12 ora 30 alina no nisehoan’ny fanafihana, tsy fantatra mazava hatreto ny isan’ireo jiolahy, ny andro rahateo maizin-kitroka tanteraka. Tsy nisalasala ireo jiolahy, fa avy hatrany dia nanapoaka basy nampitahorana ny fokonolona, tsy nisy sahy nivoaka ireto farany vokatry ny tahotra. Omby roa no lasan’ny jiolahy, nandritra ny fanafihana, nisy tamin’ireo fokonolona no niantso avy hatrany ny UIR na « Unité d’Intervention Rapide » eto Antsirabe. Azo lazaina fa tonga ara-potoana ihany ireto farany. Raikitra  ny fanarahan-dia, mbola nifankatazan-davitra rahateo  ny jiolahy sy ny mpitandro filaminana. Nanapoaka basy nanao tifi-danitra ny UIR ho fampitandremana ireo jiolahy. Rifatra nandositra ireo olon-dratsy vao naheno ny poa-basin’ny mpitandro filaminana, nitohy kosa ny fanenjehana ka omby iray no narian’ireo jiolahy raha toa ka tafaverina tamin’ny tompony kosa ny iray. Voalaza araky ny loharanom-baovao, fa tafiditra tamina kizo ireo jiolahy, ka teo no tsy naharahana ny diany intsony.

Araka ny fantatra, dia misy ifandraisany amin’ny fisian’ny  JAMA ity fanafihana nitranga tao Andrangy ity. Efa tonga eto Vakinankaratra mantsy ity fikambanana JAMA ity raha ny fantatra hatrany. Malaza fa ireo tanàna tsy mety hiasan’ny JAMA dia hitrangana fanafihana hatrany. Vokatry ny laza ratsin’ity JAMA ity, dia nandray fepetra ny teo anivon’ny OMC eto Vakinankaratra hanafoana azy, tsy ara-dalàna rahateo ny fisiany, mampisalasala ary manakorontana ny filaminam-bahoaka, hoy ny Kaomisera divizionera Talily Damy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici