- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Polisy 9 mianadahy nasondrotra galona

Antsirabe : Polisy 9 mianadahy nasondrotra galona

Mitaky tamberin’andraikitra sy asa maro ny fisondrotana galona ho an’ny polisim-pirenena, indrindra fa  ho an’ny vahoaka izay antom-pisian’izy ireo. Polisy miisa 9 mianadahy miasa sy monina eto amin’ny faritra Vakinankaratra no nahazo fisondrotana galona, ka « commissaire de police » ny iray, « inspecteur de police » ny telo ary « officier de police » kosa ny dimy ambiny. Tao amin’ny ENIAP na Sekolim-pirenena manofana ho « agent de police » sy « inspecteur de police » eto Antsirabe no natao ny lanonana ara-panjakana ny faran’ny herinandro lasa teo. Lanonana izay natrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana eto Vakinankaratra, toy ny lehiben’ny faritra, ny prefet an’Antsirabe ny talen-tsekoly ENIAP Talily Damy ary ny BRSP eto Vakinankaratra. Niara-dalana tamin’ity lanonana ity ihany koa ny fampahafantarana ampahibemaso ny  « commissaire centrale » vaovao voatendry hiasa eto Antsirabe sy ny lefiny ary ny « chef de police » ao Mahazoarivo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici