- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Raikitra ny sakoroka, tsy tafapetraka ny « pylone »

Antsirabe : Raikitra ny sakoroka, tsy tafapetraka ny « pylone »

Nanaitra ny fokonolona ny nahita ity “groupe” lehibe ity. (Sary Andry N)

Nitrangana sakoroka tao amin’ny fokontany Andafiatsimon’ny Star nanomboka ny talata lasa teo. Nitohy omaly alarobia izany, tsy nanaiky ny hametrahana ireny “pylone” ireny ny fokonolona.

Araka  ny vaovao voaray dia tsy “pylone” akory no nokasaina hapetraka tao amina  tranon’olona iray mponina ao amin’ny fokontany fa “antenne ralais” iray ana-oranisan-tserasera ho fanatsarana ny tolotra. Tsy nahafantatra izany  ny fokonolona fa “pylone” no fandraisan’ny maro azy. Nisy ireny “groupe” lehibe ireny rahateo saika hampidirina tao amin’ilay trano ka io no nanaitra ny maro. Vetivety dia niely ny feo fa hametrahana “pylone” eo amin’ilay tranon’olona iray andalam-pahavitana. Vory maro ny fokonolona ny harivan’ny talata, nanakana ny asa avy hatrany ka niafara tamin’ny tora-bato mihitsy. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandamina ny resaka sy niaro ny fananan’olona. Nitohy omaly ny fandaminana ka fantatra fa nanala ny entany tao ihany ilay orinasa nikasa hametaka “antenne”.

Araka ny fanazavana teny an-toerana dia efa nahazo alalana hametaka io “antenne” io ilay orinasa. Efa nisy, hoy ireo fokonolona, ny fakana hevitra teny ifotony saingy maro ireo fokonolona no tsy nahalala izany. Tsy nisy aloha ny naratra na fahasimban’ny entana fa voafehin’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici