- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ramatoa iray nidoboka am-ponja fa nanodinkodina bandy kely

Antsirabe : Ramatoa iray nidoboka am-ponja fa nanodinkodina bandy kely

Ramatoa iray no nidoboka am-ponja teto Antsirabe. Fanodinkodinana zaza tsy ampy taona no vesatra nanenjahana azy  fa nisakaiza tamina bandy kely 17 taona.

Tsy mbola manam-bady ilay ramatoa, 38 taona izy raha ny fantatra, mpampianatra dihy no asany. Ankaotra izay dia mpanentana amina toerana fitazaina zaza sahirana amin’ny fikambanana frantsay iray eto Antsirabe koa izy. Isan’ireo zaza tezaina ao amin’ity foibe ity ilay tovolahy 17 taona nisakaiza taminy io. Raha ny fantatra dia efa am-bolana maro no niarahan’izy ireo, voalaza fa tafiditra amin’ny fandaharam-potoanan’ilay bandy kely ny fianarana mitendry”piano” any ivelan’ny toby ka amin’izay izy roa no mananaraotra miaraka. Misy fotoana no mihidy lava anaty efitra ilay ramatoa sy ny sakaizany bandy kely, nanomboka niahiahy ny tompon’andraikitra ary nanara-maso ny ataon’ilay ramatoa. Inona tokoa fa dia tratra nihidy tao amin’ny efitranon’ilay bandy kely izy roa, ary tsy afa nanda ny zava nitranga tao. Nametraka fitoriana avy hatrany ny tompon’andraikitra ka izao niafara tamina fanagadrana ilay ramatoa izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici