- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Rangahy 2 tratra nangalatra kisoa, matin’ny fitsaram-bahoaka

Antsirabe : Rangahy 2 tratra nangalatra kisoa, matin’ny fitsaram-bahoaka

Mihamahazo vahana ankehitriny ity resaka fitsaram-bahoaka ity noho ny tsy fahatokian’ny olona ny fitsarana intsony . Olona roa indray no fantatra fa matin’ny fitsaram-bahoaka, teny amin’ny tanàna iray  antsoina hoe Mahakarizoro ao Antsirabe, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany teo. Araka  ny loharanom-baovao voaray, dia voalaza fa tratra nangalatra kisoa tao amin’io toerana io ireto rangahy roa ireto ka tra-tehaka tamin’izany . Tsy nanaiky mora ireo mponina fa avy hatrany dia nanao tambabe hamono ireto mpangalatra kisoa ireto, ka samy namely avokoa na ny kely na ny lehibe  izay nahita tao an-tanàna. Maty vokatr’izany ireto rangahy roa noho ny vono mafy  nahazo azy ireo, izay tena mafy  tokoa. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa tsy navelan’ireo mponina hody ny razana fa dia nalevin’izy ireo tao anaty lavaka iray. Ireo mponina tao ihany no nanao ity lavaka ity ka rehefa tapitra ny ain’ireto jiolahy mpangalatra ireto, dia natsipy tao izy ireo. Fantatra fa fianakaviana akaiky ireto rangahy ireto ihany no tompon’ireto kisoa ireto, saingy tsy  te hahafantatra izany izy ireo fa dia nanaiky ny fitsaram-bahoaka izay nataon’ny fokonolona tao Antsirabe. Tsy nilevina tao amin’izay fasan-drazany ireto olona roa ireto vokatr’izany, fa dia tao anaty lavaka iray izy ireo no nalevin’ireo fokonolona.

 

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici