Niakatra fitsarana ny talata 9 oktobra lasa teo ny raharaha iray nampifanolana ny sefo fokontany sy rangahy iray ao amin’ny fokontany Tsarafara Antsirabe I. Afaka tamin’ny vesatra nanenjahana azy ilay sefo-fokontany, notadiavin’ny fokonolona kosa ilay nitory saika hanaovana fitsaram-bahoaka. Talohan’ny fitsarana dia efa nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ny fokonolona teo amin’ny fokontany nanamarina fa tsy tokony ho meloka ny lehiben’ny fokontany amin’ny raharaha nanenjahana azy. Lonilony ara piaraha-monina no nisy sy nitarika azy tamin’ny famonjana ka tsy rariny hoy ny fokonolona. Marihina mantsy fa efa naiditra am-ponja vonimaika ny sefo fokontany talohan’ny niakarany fitsarana izao, araka ny loharanom-baovao. Taorian’ny fitsarana, araka loharanom-baovao hatrany, dia naterina andian’olona maro ilay sefo fokontany, ka teo no nipotra ny resaka fa tokony hanaovana fitsaram-bahoaka ilay nitory. Maro be rahateo ny fokonolona ka nanano sarotra ny nifehy azy, hoy hatrany ny fanazavana. Teo amin’ny fokontany Voajanahary no niseho ny gidragidra ny talata, satria nanomboka nikomy ny fokonolona ary nitady ilay nitory. Fantatra fa tsy sahy namonjy ny trano fonenany intsony ilay nitory raha tsy narahina mpitandro filaminana nony hariva ny andro. Tsy nanaiky rahateo ny fokonolona teo Voajanahary, toerana saika nisian’ny sakoroka.
Andry N.