- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Sampana vonjy voina Antsirabe - Mbola laharana maitso iray aloha...

Antsirabe : Sampana vonjy voina Antsirabe – Mbola laharana maitso iray aloha no azo

Ny faran’ny volana janoary 2023 no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy  ny holafy mpamonjy voina teto amin’ny tananan’Antsirabe. Tsiahivina fa  ity no holafy faha 5 nitsangana teo amin’ny firenena hatramin’izay. zava dehibe ho an’ny tanan’Antsirabe no nahazoana ity holafy ity satria tanana faharoa eto amin’ny Nosy I Antsirabe. isan’ny fanamby napetraky ny ben’ny tanan’Antsirabe Dr Unoh moa ny fampahananan’ ny tanan’Antsirabe izany sampana mpamonjy voina izany ka dia nitana ny teny nomeny tokoa ity ben’ny tanana ity satria maro ireo ben’ny tanana teo alohany nanao fampanantenana poakaty tamin’ny mponin’Antsirabe. Efa amperin’asa avokoa moa ireo fitaovana rehetra ao amin’ny holafy mpamonjy voina ireo, isan’izany ny fiara lehibe mpamono afo sy ny ambulance; ankoatra izay ireo ny fiara veventy iray sy “remorque” miaraka aminy.

Fantatra koa ankehitriny fa efa misy ny laharana maitso hiantsoana ny mpamonjy voina eto Antsirabe dia ny 118.  Hatreto dia ny tambazotra Orange ihany aloha no nahazoana mifandray amin’ny sampana vonjy voina  eto Antsirabe. Voalaza fa efa nanaiky ny fiaraha miasa kosa ny tambazotra Airtel ary efa andalam-pikarakarana ny taratasy mahakasika izany ny tompn’andraikitra.

Andalam-piandrasana ny  izay mety ho valiten’ny Telma kosa ny fiadidiana ny tanana.

Zava dehibe ho an’ny mponina ny fisian’itony laharana maitso intsony satria matetika mbola hifampitadiavana ny fahana ahafahana miantso nefa vonjy voina sy vonjy aina no resahina. 

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici