- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Taxi-brousse nivadika : zaza roa maty, 11 maratra mafy

Antsirabe : Taxi-brousse nivadika : zaza roa maty, 11 maratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teto Antsirabe, Sprinter iray nitondra fianakaviana hihazo an’Ambositra no niharan-doza ka namoizana zaza roa ary 11 naratra mafy.Ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina no nitrangan’ny loza tao  Ambohimanabe 200 metatra miala ny tetezan’i  Sahalombo. Fiara Sprinter ao amin’ny koperativa KOFIAM no nitondra fianakaviana iray avy naka razana maina hafindra any Ambositra raha ny fantatra. Niainga avy tany Morondava ity fiara ity ny marainan’ny alakamisy io ary eto Antsirabe no saika handray ny familiana ny mpamily iray hafa raha ny fanazavana hatrany. Raha ny fantatra, dia resin-tory ilay mpamily ka tsy voatanany intsony ny familiana. Nivadika tamin’ny ilany havanana ny fiara rehefa nihoatra ny arabe ny kodiarana, ka nihohoka tanteraka avy teo. Vokany zaza roa no maty teo no eo ary 11 kosa naratra mafy. Ny fito tamin’ireo naratra mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly be CHRR amin’izao foatoana, voalaza fa misy ny tapa-tànana, tapaka eo amin’ny taolam-panavy sy soroka.  Ny efatra kosa tsaboina ao Andranomadio, misy ny vaky loha sy tapaka. Amin’izao ora anoratana izao dia misy zaza 6 taona iray mbola tsy mahatsiaro tena ao amin’ny hopitaly. Ilay razana maina kosa napetraka tsy lavitra ny toerana nisrhoan’ ny loza, miandry ny fianakaviana haka azy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici