- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tra-tehaka ireo milaza fa mahay manamboatra vola

Antsirabe : Tra-tehaka ireo milaza fa mahay manamboatra vola

Voajono ary tra-tehaky ny zandary am-bodiomby mihitsy ireo olona telo mianadahy voalaza, fa mahay manamboatra vola tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao, ny sabotsy lasa teo.

Ny zava-nisy. Tonga teny am-poto-tsofin’ny Kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary ao Antsirabe ny feo fa hoe misy olona mahay manamboatra vola any an-toerana. Somary hafahafa ihany ny zava-nitranga ka dia natao avy hatrany ny fanadihadiana. Rehefa izany, dia nojonoina mihitsy ireo olona ireo hahafantarana ny tena marina ka ny CB mivantana mihitsy no nirotsaka tamin’izany. Ramatoa iray no nihaona taminy ary io no nilaza, fa mpiasan’ny Banky Foibe avy aty Antananarivo no afaka mamoaka ravin-taratasy fanamboarana vola. « Misy akora hampiarahana an’ireo taratasy ireo ka rehefa sasàna miaraka ireo dia vola iray alina na roa alina ariary no mivoaka ary vola tena izy fa tsy sandoka ». Mazava ho azy, toy ny tetikadin’ireo mpisoloky rehetra dia mahay mandresy lahatra mihitsy ity ramatoa ity. Soa ihany, mpitandro filaminana no nanoloana azy teo. « Natao ary ny fifanarahana anaovana andrana ka vola folo tapitrisa ariary no omena azy ireo ary ravin-taratasim-bola sy « produits » mahavita vola mitentina telopolo tapitrisa ariary no omen’izy ireo ». Ny sabotsy lasa teo no voalaza, fa nanaovana ny andrana sy izay fifanakalozana raha tena vitan’izy ireo marina no manao ilay vola. Araka ny fampitam-baovao azo, dia roa lahy niaraka tamin’ilay ramatoa mpandresy lahatra no tonga tao amina hotely iray tao Ambavahadimangatsiaka. Ravin-taratasy maromaro efa voadidy toy ny vola iray alina ariary ary voafono tao anaty « papier alu » no nentin’izy ireo. Anjaran’ilay mpanjifa (ny CB) kosa no mitondra vovon-tsavony sy « seringue ».  « Mody natao ny fanandramana ireo ravin-taratasy ka dia vola efatra alina ariary no navoaka avy ao (ravim-bola iray alina ariary efatra) ». Vita izay, avy hatrany dia nantsoina ireo zandary efa niandry tany ivelany ary nosamborina teo no ho eo izy ireto. Fantatra teo mantsy, fa tena fisolokiana no ataony fa tsy misy olona na olon-tsotra na mpiasan’ny Banky Foibe izany mahavita lelavola malagasy, hoy ny fanazavana azo. Raha fintinina mantsy dia hakingan-tànana fotsiny no ataon’izy ireo. Ary raha hoe olon-tsotra dia efa roboka ary lasa tany ny volabe. Maro tokoa ireo mpanao ratsy no manararaotra izao fihibohana izao hanambakana vahoaka. Ireto farany ihany koa moa, te hanam-bola tampoka ka betsaka ireo tafaroboka sy very vola tsy amin’ antony. Tratran’ilay fitenenana hoe « domy tapany, handoa erany »

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici