- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Trano maromaro narodana, ampolony tsy manan-kialofana tampoka

Antsirabe : Trano maromaro narodana, ampolony tsy manan-kialofana tampoka

Ranomaso, hiakiaka izay sisa no azon’ireo fokonolona natao nanolona ny fandravana ny tranon’izy ireo tao amin’ny fokontany Antsenakely Antsirabe. Ny Alakamisy faha-25 Aprily vao maraina dia efa nihatrany teny an-toerana ny vadintany narahan’ny mpitandro filaminana nanantateraka ny didim-pitsarana.

Raha ny angom-baovao teny an-toerana, efa nahatratra 50 taona mahery no nonina teo amin’ity toerana ity ireo fokonolona ireo, tany kisilasila no narenina hoy ny ray aman-dreny iray nanazava izay vao nanorina trano fonenana izay, tokony tamin’izany andro izany dia efa norarana fa tsy amin’izao fotoana, aty amin’ny taranaka aman-jafy aty vao esorina.

Efa niakatra fitsarana indroa ny rahaha saingy tsy nahazo rariny tany amin’ny fitsarana mihitsy ireo fokonolona ireo, ny antony dia tany misy tompony io ary misoratra amin’ny teratany karana araky ny voasoratra ao anaty taratasin’ny tany sa “situation juridique”.

Tsy ireo olona ireo no napetry ny tompon-tany tany aloha tany fa taranaka aty aoriana ireo. Nanao fangatahana ny tany ireo taranaka ireo  na “prescription acquisitive” P.A,  tezitra noho izany ny tompon-tany ka nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ka izao niafara tamin’ny fenesorana sy fandravana ny tanàna izao. Tanim-panjakana no azo hanaovana P.A hoy hatrany ny vadintany nanazava fa tsy tany misy tompony.

Ny taona 2021 no efa nivoaka ny didim-pitsarana fa  mbola nifampirahaha tamin’ireo olona ireo ny tompon-tany noho ireo olona ireo sahirana saingy mbola nampiakatra ny rahaha ihany ireto farany ka izao tonga amin’ny fandrodanana tsy nisy hatakandro izao.

Tsikaritra fa tonga tsikelikely teny amin’ireo olona traboina ireo ny kandidà mpilatsaka hofidiana solombambahoaka sasan-tsasany nitondra izay voatsirambin’ny tanany, mba mananaraotra ihany koa angamba ho fanta-bahoaka.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici