- Publicité -
vendredi, octobre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vehivavy nisandoka ho polisy

Antsirabe : Vehivavy nisandoka ho polisy

Kalamena no fiantso azy. Anaram-bositra izay nampiasainy tamin’ny asaratsy fisandohana. Nilaza ho polisy ary tena manao fanamiana tokoa. Saingy nampiasainy tamin’ny fisolokiana izany ary efa olona maro no lasibatra. Tonga teny amin’ny polisy ny vaovao rehefa nisy ny fitarainana ary nanomboka teo no nanokafana fanadihadiana i Kalamena. Nosamborina izy aloha ary natao avy hatrany koa ny fisavàna ny tranony taorian’izay. Inona tokoa fa tao avokoa ireo karazana fanamiala izay ny polisy ihany no tokony hanana azy. Nazava ho azy teo fa mpisandoka ilay vehivavy ary nitohoka tamin’ny tenda avokoa ny porofo rehetra. Rehefa nohamarinina rahateo ny momba azy dia sivily tsotra. Rehefa vita ny famotorana an’Ilakamena dia natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja avy hatrany noho ny fisandohana andraikitra ary koa noho ny fisolokiana isan-karazany. Izy aloha no vehivavy voalohany nisandoka ho polisy vavy raha efa betsaka kosa ny lehilahy nanao ny toa izany, nisandoka ho mpitandro ny filaminana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici