- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vehivavy novonoina, notapatapahana natao anaty gony

Antsirabe : Vehivavy novonoina, notapatapahana natao anaty gony

Raha mbola tsy afaka  an-tsain’ny maro ilay famonoana vehivavy norasarasaina  sy notapatapahana natao anaty gony tamin’ny volana jolay 2017, dia niverina indray izany ankehitriny. Nampatsiahy ny zava-niseho mihitsy mantsy ity  nitranga ity,  satria  mitovy tsy misy valaka tamin’iny ihany ity famonoana miharo habibiana ity. Renim-pianakaviana iray indray no nisy namono, notapatahana niala tamin’ny vatany ny tànany sy ny tongony ary ny lohany. Natao tanaty gony 4 samihafa, nifatotra tsara ary natsipy tao Vatofotsy, teo amin’ilay toerana nahitana ilay razana tamin’ny 30 Jolay 2017 lasa teo ihany. Lehilahy iray avy niasa alina hamonjy fodiana  no nahita ireo gony mihosin-drà norohitin’ny alika, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Nihevitra ity lehilahy ity fa hena halatra ireo hitany ka niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany izy. Fotoana fohy taorian’ny antso, tonga ny polisy nijery ny zava-misy, akory ny hatairana fa fatin’olona voarasarasa indray no tao anaty gony. Vehivavy iray miboridana  tanteraka, tsy nisy na dia takon-kenatra aza. Ny gony iray nisy ny lohany mitokana, nohosorana vovo-tanimena ny tavany ka tsy nisy namantarana azy mihitsy, ary notapenana “scotch” ny vavany. Gony iray hafa, nisy ny vatany ary natokana gony ihany koa ny tongony aman-tanany nisaratsaraka. Nahitana sarin’olona lahy sy vavy ary sarina rongony miharo  hafatra ara pitiavana tao amin’ilay gony nisy ny tongony roa.  Taoarian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana, dia naterina sy nodiovina haingana teny amin’ny hopitaly Atsimo ny razana, vetivety dia hipoka olona ny hopitaly nijery ity tranga mampivarahontsana ity. Teo no nahafantarana fa avy any Andranomanelatra ity renim-pianakaviana ity, 37 taona izy ary monina ao Antsirabe Avaratra. Voalaza fa  miasa mivoaka alina izy, tsy manambady, saingy niteraka  telo ka 14 taona ny zokiny indrindra.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici