Hatramin’ny talata 12 aprily lasa teo no tsy nitsahatra nitady ilay zazalahy kely ny fianakaviany sy ny fokonolona tao amin’ny Fokontany Tomboarivo rehefa nandre fa tsy tonga tao an-trano ilay zazalahy kely avy nianatra. Isan’ny niaraka tamin’ny fianakaviana nikaroka ilay aza ihany koa ilay zaodahiny namono nahafaty azy tamin’io fotoana io saingy tsy mbola nisy nahafantatra ny zava doza nataony. Omaly alarobia no nahafantaran’ny fianakaviana fa maty novonoin’io zaodahiny io ilay zaza. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany no naharay antso ny UIR Central nilaza ny fahafatesan’ilay zaza sy ny olona namono azy . Araky ny vaovao voaray dia nitolo tena ihany ity zaodahiny mpamono olona ity ary nanampy azy tamin’ny famonoana io zaza io ny rahalahan-drainy izay efa voasambotra ihany koa . Tonga nisambotra azy ny polisy ary nanoro ny toerana nanariany ny razana ilay zaodahiny . Tao anaty kirihitra tany Ambohimahazo antsinan’ny Parc de l’Est no nanariany ny fatin’ilay zaza. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay zaza tsy manan-tsiny, nokendaina tamina kofehy ny tendany nandrapaha tapitra ny ainy.
Andry N.




