- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zaza iray maty, olona roa tsaboina noho ny fihinanana...

Antsirabe : Zaza iray maty, olona roa tsaboina noho ny fihinanana poizina tsy nahy

Fianakaviana iray no niharan’ny fahapoizinana tsy nahy,ny alarobia  teo, teny Ambohidava Antsirabe. Zaza iray no maty ary olona roa no mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly CHRR amin’izao fotoana izao.

Niteraka resa-be ary nampametra-panontaniana maro tokoa ity tranga iray niseho teto Antsirabe ity hoe: tena mahantra tokoa ve ny gasy fa na ny sira aza amin’zao fotoana dia tsy voavidy? Noheverin’ity renim-pianakaviana mantsy fa sira ny vovo-javatra hafahafa hitany teny amin’ny fanariam-pako ka noraofiny ary nentiny nody tao an-tranony. Marihana fa mpitsimpona plastika sy vy eny amin’ny fanariam-pako  no antom-pivelomany ary miompy ihany koa. Ny marainan’ny alakamisy teo izy no nahita io fonosan-javatra hafahafa io, ka nenitny nody. Tsy nahafantra rahateo ny zanany hoe inona marina ity vovo-javatra hitany tao an-trano ity, ka nafangarony tamin’ny vary. Tsy nanome tsirony ny sakafo ity vovo-javatra ity; izay marihina fa ny rainy sy ny zanany vavy roa no nihinana voalohany. Samy nahatsikaritra izy ireo fa toa hafahafa ny sakafony ka nomeny ny kisoa fiompiny. Vao nandrapaka anefa ity biby fiompy dia maty avy hatrany. Teo vao nikorapaka izy telo mianaka. Fotoana vitsy taorian’io, nalemy sy nandoa ary vaky kibo nivalana be ilay zanany vao telo taona sy tapany monja, niaraka tamin’ny zokiny 14 taona. Nanapa-kevitra ilay raim-pianakaviana ny hitondra azy eny amin’ny hopitaly, hay poa tahaka izay dia torana tsy nahetsika koa. Nandritra, izany efa tsy avotra intsony ny ain’ny zanany farany. Ilay zanany 14 taona niaraka tamin’ny rainy no nezahina novonjena, mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly izy ireo amin’izao ary voalaza fa tsy atahorana ny ainy.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici