vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Ankizy valo maty nihinana soka-dranomasina

Antsiranana : Ankizy valo maty nihinana soka-dranomasina

Namono olona valo indray ny fihinanana soka-dranomasina tany Avaratry ny Nosy iny, tamin’iny herinandro iny. Fianakaviana iray tao amin’ny fokontany Ambavarano sy Ambodinahihibe, tao amin’ny kaominina Mahavanona any amin’ny distrika Antsiranana II, no ireto niharam-boina ireto, rehefa nihinana fano (sokatra), nisy poizina. Saika ankizy amam-bolana sy latsaky ny efa-taona avokoa ireto namoy ny ainy ireto, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Ny enina tamin’ireto zaza ireto no avy hatrany dia maty teo ho eo rehefa avy nihinana nivantana ity hazan-dranomasina ity. Izy ireo dia zaza eo anelanelan’ny herintaona ka hatramin’ny efa-taona. Ny roa tamin’ireo zaza ireo, izay valo sy sivy volana kosa dia namoy ny ainy, taorian’ny fampinonoan’ny reniny azy ireo. Taorian’ny loza dia nisy avy hatrany ny fidinan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, avy eo anivon’ny Omc, niaraka tamin’ny zandamariam-pirenena, nijery ifotony ny zava-nisy. “Vao nahita azy ireo ny olona tao an-tanana  dia vaky nitsoaka sy nanary ny ambin-tsakafo  rehetra tao ambilany ka tsy nisy azo natao  fitsirihana intsony” hoy ny vaovao. Hany ka olona vitsy tao an-tanana sisa, izay nampiseho soritr’aretina taorian’ny fihinanana ilay soka-dranomasina no nalefa tany amin’ny hôpitaly mba hatao fitsirahana, mahakasika ny niavian’ity fanapoizinana ity. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mponina mba tsy hihinanana ity hazan-dranomasina ity mandrapahita izay fototra nahatonga ny loza. Nisy araka izany ny fametrahana tompon’andraikitra tao an-toerana hanara-maso ny fivoaran’ny fahasalaman’ireto olona narary ireto. Tetsy andanin’izay anefa dia fantatra fa mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici