- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Lehilahy namono vehivavy iray sy ankizy, matin’ny fitsaram-bahoaka

Antsiranana : Lehilahy namono vehivavy iray sy ankizy, matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray namono nahafaty renim-pianakaviana iray tamin’ny fomba feno habibiana no matin’ny fitsaram-bahoaka, ny asabotsy lasa teo, tao Bakilandy Distrikan’ Antsiranana II.  Raha ny tati-baovao azo dia mbola nodoran’ity lehilahy nahavanon-doza ity ihany koa ny tranon’ilay vehivavy nalatsany aina taorian’izay, ka maty may kila forehitra tao ny zana-dramatoa fito taona. Nahatezitra ny fokonolona teo an-tanàna ny loza nitranga, ka niara-nirohotra ny rehetra nisambotra an’ilay mpamono olona, ary niharan’ny fitsaram-bahoaka aina solon’ny aina avy hatrany ilay rangahy nahavanon-doza. Raha vao naharay vaovao mahakasika io vono olona io ny Zandary avy ao Antsiranana, dia tonga nidina ifotony sy nijery akaiky ny zava-nisy. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ankehitriny, ka andrasan’ny rehetra ny tohin’ity vono olona nahatsiravina ity, satria raha ny fantatra hatrany, dia tsy vadin’ilay rangahy nahavanon-doza ilay ramatoa.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici