- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Pôlisy roa sy Zandary roa no tra-tehaka naka vola tamin’ny fisavana...

Antsiranana : Pôlisy roa sy Zandary roa no tra-tehaka naka vola tamin’ny fisavana fiara

Efa tsy tahotra tsy henatra intsony, fa mbola manao ny asany mahazatra misava taratasy sy manery olona amin’ny fangalana vola amin’ny  fiara ihany ireo  mpitandro ny filaminana  efatra, pôlisy roa sy Zandary roa, tany amin’ny renivohi-paritanin’Antsiranana no nisehoan’izany, andro vitsy lasa izay. Na teo aza ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo teo anivon’ny governemanta amin’ny nampihantona ny fisavana taratasina fiara, dia mbola minia nikipy maso sady mamono sofina ireo mpitandro ny filaminana, izay voalaza etsy aloha ireo. Tsy vitan’izay, fa mbola voalaza naka vola ihany koa izy ireo. Raha ny vaovao marim-pototra voaray avy tany Antsiranana, dia efa vita famotorana ireo mpitandro ny filaminana ary miandry hatolotra ny fampanoavana ihany koa izy ireo amin’ity raharaha ity. Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa ny lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian sendra nandalo tany an-toerana namonjy fetim-pianakaviana no nahita an’ity tranga ity. Raha ny fanapahan-kevitra re, noraisin’ireo eo anivon’ny Zandary na ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia samy nanamafy ireo tompon’andraikitra fa tsy hanaiky sady ho hentitra amin’ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny heloka ataon’ny olon’izy ireo tsirairay avy. Ny farany teo no nahavoarohirohy pôlisy dimy avy eto Maevatanàna naka vola aman-tapitrisany tamin’olona tany Tsaratanàna, izay efa vita famotorana tany Mahajanga ny herinandro lasa teo izy dmy lahy ireo, ka andrasan’ny mponina ny mety ho tohin’ity raharaha ity ankehitriny.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici