- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsofinondry Sabnam : Lehilahy efa tsy hita telo andro, maty natsingevan’ny rano

Antsofinondry Sabnam : Lehilahy efa tsy hita telo andro, maty natsingevan’ny rano

Tovolahy iray sahabo ho 20 taona any ho any no hita faty tetsy Ambodivondava, Antsofinondry, omaly maraina. Raha ny fanazavàna azo dia efa tsy hita hatramin’ny alahady ity ranamana ity, ary efa nikaroka azy hatraiza hatraiza ireo fianakaviana. Olona sendra nandalo teny amin’izany faritra izany no nahita ity razana natsingevan’ny rano ka niantso avy hatrany ireto tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Tonga avy hatrany teny moa ireo zandary niaraka tamin’ny mpitsabo. Tamin’ny fizahana ny razana no nahafantarana fa olona mipetraka eny amin’iny faritra Sabnam iny ihany ity tovolahy ity. Nampandrenesina teo no ho no eo ihany moa ireo fianakaviana ka tamin’izany no nahafantarana io fanjavonany io. Hatreto dia mbola eo am-panaovana fanadihadiana tamin’ny antony nahafaty ity lehilahy ity ireto tompon’andraikitra amin’izany. Ny azo lazaina fotsiny, hoy izy ireo, dia maty an-drano tsotra izy io fa tsy nisy namono akory, raha ny fijerena ny razana am-boalohany. Mbola teny aminy avokoa mantsy ny fitafiany rehetra. Tsy nahitàna marika na ratra na mangana ihany koa ny tenany iray manontolo taorian’ny fitsirihan’ny mpitsabo azy. Ny fanontaniana lehibe kosa dia ny hoe tamin’ny fomba ahoana ny nahatongavany tao anatin’io farihy io ? Taorian’ireo fitiliana sy fizahana moa dia efa nomena ireo fianakaviana ny razana. Misokatra kosa ny famotorana ataon’ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici