Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay dia miaina ao anaty tahotra ny mponina ao Antsohihy. Nandeha mantsy ny feo tao an-tanana fa misy fanahy, « angatra » mihelohelo ao an-toerana. Voalaza fa « mitady ny vadiny » izy io ary miditra any an-tranon’olona, raha vao mirotsaka fotsiny ny alina. Tsy vitan’ny mampitahotra anefa izany zavatra izany, fa « mbola midaroka sy mively ireo tompon-trano ». Raha ny vaovao dia hoe tsy mahay miresaka ity farany saingy afaka mamaky soratra kosa. Noho izany, entin’ny tahotra dia rafitra manoratra ny isam-baravarany avokoa ny sasantsany amin’ireo mponina, milaza fa tsy ao amin’izy ireo velively ny olona tadiavin’io angatra io. Ny somary mahatsikaiky dia voalaza fa na hatramin’ny vavahadim-pianarana aza dia nahitàna io soratra io tany an-toerana, « Tranga efa tonga taty am-poto-tsofinay io tranga io, saingy hatreto aloha tsy mbola naharay fitairanana izahay mahakasika izany. Na izany na tsy izany anefa, tsy azonay atao ambanin-javatra ny tranga tahak’izany, indrindra fa mahakasika ny filaminam-bahoaka. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana hatao » hoy ny filazan’ny tompon’andraikitry ny filaminana iray any an-toerana.
Nangonin’i m.L