- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Bodoin’olona ny tanin’ny Lycée

Antsohihy : Bodoin’olona ny tanin’ny Lycée

Bodoin’ andian’olona ny tanin’ny lisea Antsohihy, ary misy sahy manangana sy manorina trano eo amin’io tanim-panjakana ao anatin’ny faritry ny sekoly io, ka mampiaka-peo sy manaitra ny tompon’andraikitra mahefa ankehitriny, Atoa Razafimiasa Arthur Dauphin, Proviseur lycée Antsohihy. « Noho ny olana eo amin’ny fibodoan’olona sasany an-keriny ny tanim-panjakana ato amin’ny faritry ny sekoly, dia sahirana amin’ny fampiasana ny taniny ny sekoly, ka tsy afaka nanatanteraka fambolen-kazo mba ho fiarovana ny tontolo iainana, araka ny teny midina avy tany amin’ny minisitera foibe, nandritra ny fankalazana ny andron’ny sekoly nanerana ny nosy farany teo iny ». Nohamafisin’ity talen-tsekoly ity, fa « Misy mpitandro filaminana izay tokony handamina indray no sahy manao bodongerona mibodo ny tanin-tsekoly. Eo ihany koa ny mpampianatra namana naka. Ekena fa surveillant tao amin’ny sekoly lycée Antsohihy ny rain’ity mpampianatra iray izay mibodo ny tanin-tsekoly ity. Efa nodimandry ny io rainy io, ka tsy ananany zo velively ny hanorina trano eo an-tokontanin-tsekoly, satria  ananan’ny lisea taratasy ara-dalàna ny maha azy ny tany, ary voamarina ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesan-tany eto Antsohihy izany ». Efa eny am-pelatànan’ny Fitsarana moa ankehitriny ny raharaha, ka ho hita eo sy harahantsika akaiky eto hatrany ny tohiny ary ny fivoarany.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici