- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Fiara roa nitatitra « concombres de mer » nogiazana

Antsohihy : Fiara roa nitatitra « concombres de mer » nogiazana

Teo amin’ny barazy iray amin’ny lalam-pirenena no nosakanan’ny zandary ireo fiara roa nampiahiahy. Misarona tsara ny fitoeran’entana, kanefa tsy nahasakana ireo mpitandro ny filaminana ny hanao fisavàna izany. Tao anatin’izany no nahitàna fa feno « concombres de mer » (dingadingana na zamba no iantsoana azy any amin’iny faritra iny) tao amin’ireo fiara roa. Tsy nisy fahazoan-dàlana avy amin’ny fanjakana ny fitaterana izany hany ka avy hatrany ny zandary dia nanao fanagiazana ireo bibin-dranomasina sy ny fiara nampiasaina tamin’ny fitarerana izany.  Solombavambahoaka teo aloha no tompon’antoka tamin’ity raharaha ity ary izy rahateo no isan’ny nitondra ny fiara iray amin’ny roa izay nitaterana ireo dingadingana. Nanokafana fanadihadiana izy ireo ary notazomina ireo entana sy ny fiara mandra-pisian’ny fanapahan-kevitry ny manam-pahefana momba izany. Isan’ny hofantarina ny hoe mpiompy dingadingana ve izy ireo ka manana alàlana hitatitra izany mba hivarotana azy, na koa hanaovana zavatra hafa ? Raha tsy izay mantsy dia mety ho misy endrika fikasàna hanondrana an-tsokosoko indray ity zava-nitranga ity. Tsiahivina fa isan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fanomezana fankasitrahana ireo tompon’andraiki-panjakana mahasarona fanondranana harem-pirenena. Andrasana ny mety ho vokatr’izany eo anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny ladoany ary koa ireo ratsamangaika rehetra tokony handalovan’ny entana haondrana matetika.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici