- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Jiolahy tra-tehaka, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Antsohihy : Jiolahy tra-tehaka, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Rehefa nifanenjehan’ny Fokonolona, dia tra-tehaka tao Ambodimadiro ihany ity lehilahy iray nandroba raim-pianakaviana avy nirava niasa hamonjy fodiana, izay nahaverezana vola sy finday avolenta, ny harivan’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy 40 minitra, tao amin’ny Fokontany Ambalabe Andrefana I. Rehefa tratra ity jiolahy, dia nandrahona tamin’ny antsy teny am-pelatanany, ka nitombo ny hatezeran’ny Fokonolona, ary raikitra ny vono sy ny daroka. Naratra mafy ity mpanao sinto-mahery vao navelan’ ny olona. Nandritra izany, tonga ny « Chef Secteur 2 » Ambodimadiro niangavy ny Fokonolona hamela azy sy nisintona ilay voadaroka mba hiarina. Fotoana fohy taorian’izay anefa, dia nisy andian’olona hafa nipoitra izay nirongo fiadiana toy ny lefona sy ny antsibe, ary nitonona ho namana sy iray foko an’ity mpangalatra voadaroka. Tezitra mafy ireto andian’olona ireto, ary nandrahona ny hanapa-doha izay sendra azy. Raha vao naheno izany ny Fokonolona teo an-tanàna, dia romotry ny hatezerana ihany koa, hoy ny vaovao voaray, ka saika raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Soa ihany fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nandamina haingana ny raharaha, ary nitondra ity voadaroka naratra mafy namonjy toeram-pitsaboana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici