- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : MD ny ben’ny tanàna

Antsohihy : MD ny ben’ny tanàna

Nidoboka am-ponja vonjimaika ity olom-boafidy hitàntana ny tanàna ity rehefa nanokafan’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly fanadihadiana, taorian’ny fitoriana izay voarainy. Mahakasika ny famarotana ny fananan’ny kaominina ambonivohitra Antsohihy ny antony nanenjehana azy. Nidinan’ny ekipan’ny Bianco tany an-toerana ary rehefa natolotra ny fampanoavana dia notazomina am-ponja aloha mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Tsy mijanona eo anefa ny raharaha satria raha ny fantatra dia mbola misy dosie hafa koa izay mbola eo am-panaovana fanadihadiana azy ny birao mahaleo tena izay voatondro etsy ambony. Mahakasika ny fitantanam-bola sy ny fananana manokan’ny kaominina izany raha ny fanampim-baovao azo. Mbola ho lava arak’izany ity raharaha ity ary mety hivezivezy havoaka ny fonja dia haverina any indray ilay olom-boafidy araka izay ilan’ny mpanao fanadihadiana azy. Maromaro izay ben’ny tanàna nidoboka am-ponja izay tao anatin’ny roa volana. Isan’ny tadidy satria vao tsy ela ilay ben’ny tanàna tao Andapa izay niharan’ny famonjana vonjimaika koa vokatry ny fivarotany lavanila maitso kanefa izy no tokony ho voalohany hiady amin’izany tsy fanarahan-dalàna izany. Tamin’ny taon-dasa koa dia nahoraka ny fisian’ny ben’ny tanàna izay voafidy tao Maroantsetra izay nidoboka am-ponja noho ny raharaha mahakasika ny halatra lakolosim-piangonana. Tranga telo izay mampiferinan’aina ny vahoaka avokoa ireo izay voantatara ireo ary isan’ny andrasany amin’ny olom-boafidy ny famahana ny olana. Nivadika anefa ny asa indraindray ary lasa ny nandrandraina indray no nivadika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici