- Publicité SW45 -
lundi, octobre 7, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Mpimasy no mpamatsy fitaovampiadiana maty voatifitra

Antsohihy : Mpimasy no mpamatsy fitaovampiadiana maty voatifitra

Ilay jiolahy matin’ny zandary.

Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy iray voatondro ho sady mpimasy no dahalo mpamerin-kelokaa ry koa mpamatsy fitaovam-piadiana ireo dahalo any amin’ny distrikan’i Bealanana sy Antsohihy iny, ny asabotsy teo. Maro ny fitarainana voarain’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Antsohihy fa misy mpibaiko ary mpitahy ireo asa ratsy voalaza ireo. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny zandary ao Antsohihy nanomboka ny 27 novambra lasa teo fa taorian’ny halatra omby nitranga tao Andranotakatra Ambany, kaominina Ambatosia, distrikan’i Bealanana, ny12 aogositra teo, dia tafaporitsaka tamin’izany i Ndrianary sy ny namany iray hafa avy ao Andavadoko, kaominina Anjalazala, distrikan’Antsohihy, ka mihaodihaody ao Antsohihy hanafaka ireo namany efatra voatazona am-ponja vonjimaika vokatr’io raharaha io. Voalaza fa sady mpimasin-dahalo no dahalo mpamerin-keloka ary mpamatsy fitaovampiadiana ity Ndrianary ity, raha ny fanazavan’ny zandary. Efa ela no nanaovany izany asa ratsiny izany. Efa matetika migadra izy ary miverina indray manohy izany isaky ny afaka ny fonja. Velon-taraina ny mponina any amin’ny distrikan’i Bealanana vokatry ny afitsony, satria mbola fanta-daza amin’ny antsoina hoe: « Rabatteur » ihany koa izy ka manome vahana ny fandikan-dalàna sy ny fanaovan-dratsy any amin’ny Faritra misy azy sy ny manodidina. Nifampitadiavana nandritra ny telo volana sy 21 andro ity mpimasin-dahalo ity ka tao Anjiamangirana II, distrikan’Antsohihy, no naharenesana azy roa andro lasa. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ny zandary notarihan’ny Kapiteny Tobiasy, komandin’ny vondron-tobim-paritra ny hisamborana azy tany an-toerana. Ka ny sabotsy desambra tokony ho tamin’ny 3 ora maraina dia tafaporitsaka tao amin’ny toby nisy azy tao Anjiamangirana II izy io ka nikasa handositra tany amin’ny kaominina Ambodimanary, distrikan’Antsohihy, ary nifanjevo tamin’ny zandary. Lavon’ny bala vokatr’izany izy ary tratra niaraka taminy ny basim-borona iray miaraka amin’ny vanja, tapakazo sy ody maro samihafa fampiasany amin’ny maha mpimasy azy. « Marihina fa  mifandray tendro amin’ireo tambajotran-jiolahy ao Betomendry sy Anjiamangirana ity Mpimasy ity. Tratra tany aminy ihany koa ireo antontan-taratasy fifampivarotana basy amin’ny maha mpamatsy basy azy. Ary ny taratasy fahazoany fahafahana vonjimaika avy tany amponja. », hoy ny fanazavan’ny zandarimaria.  Mitohy ny fanadihadiana.

Yv Sam

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici