- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Mpisandoka ho zandary miisa telo, voasambotra

Antsohihy : Mpisandoka ho zandary miisa telo, voasambotra

Taorian’ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny zandary ao amin’ny Kaompania ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Maroala, distrikan’Antsohihy, dia voasambotra ny olona telo nisandoka ho zandary ny alin’ny 22 may hifoha 23 may lasa teo. Ny roa amin’izy ireo no fantatra fa tena nandray anjara mivantana tamin’izany fisolokiana izany raha ny iray hafa kosa dia mpamatsy akanjo an’ireto farany. Noho ny loharanom-baovao mari-pototra nomen’olona tsara sitra-po teo anivon’ny kaompania an’ny zandarmariam-pirenena dia noraisim-potsiny tao amin’ny trano fiereny ireo roa lahy olona mpisandoka ho zandary, tao amin’ny fokontany Ampotamandrevo. Izy ireo avy eo no nanoro ny nisy ilay namany fahatelo mpamatsy akanjo azy ireo. Anisan’ny heloka hanenjehana an’izy telo ireto ny fisandohana ho zandary ka mampihorohoro ny fokonolona amin’ny famoriana sy fangàlana vola etsy sy eroa, ny fisavana valan’omby sy bokin’omby. Efa notazomina vonjimaika ao amin’ny biraon’ny zandary ireto olona mpisandoka ireto hanaovana ny fanadihadiana. Efa miroso amin’ny fandinihana ny raharaha ihany koa ny eo anivon’ny Fitsarana any an-toerana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici