- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Niharan-doza ny fiaran’ny Primatiora, olona roa naratra mafy

Antsohihy : Niharan-doza ny fiaran’ny Primatiora, olona roa naratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’iny lalam-pirenena faha-6, mankany Antsohihy iny, omaly. Niharan-doza tao Antsohihy ny fiara iray nofain’ny Primatiora, nitondra ireo mpiasa tao amin’ity andrimpanjakana, ho any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny, omaly maraina. Vokany olona roa tamin’ireo olona dimy tao anaty fiara no naratra vokatr’izay. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia ny talata lasa teo ireto mpiasam-panjakana ireto, izay nahitana mpamily iray, « agent de sécurité » telo, ary « agent du protocole » iray, no niala teo an-drenivohitra, ho any Nosy-Be. Omaly tokony ho tamin’ny fito ora maraina teo no niseho ny loza, tokony ho 30 kilaometra avaratr’Antsohihy, raha ny fanazavana azo hatrany. Araka ny fampitam-baovao azo avy any amin’ny Primatiora dia niala zavatra teny an-dalana ity fiara ity, ka nifandona tamin’ny fiara hafa nifanena taminy, ary nivoaka ny lalana avy eo. Olona roa aloha no naratra hatreto, raha ny vaovao azo, ka ny iray amin’izy ireo no fantatra fa naratra mafy. Natao avy hatrany ny famonjena ireo naratra izay nentina tao amin’ny hôpitaly tao Antsohihy, ary efa nampandrenesina ny havan’ireto olona ireto. Efa fantatry ny Praiminisitra ity loza ity, ary mitondra ny fankaherezany ho an’ireo niharam-boina sy ny fianakaviany izy sy ireo mpiara-miasa aminy. Vonona ihany koa hanampy ireto olona niharan-doza ireto. Fantatra ary tsy niandry ela izany, nisy ny helikôptera, izay misy ny ilaina rehetra momba ny vonjy taitra, nalefan’ny Praiministra ho any an-toerana, hitondra ireo naratra hiakatra haingana aty an-drenivohitra, raha ny vaovao voaray hatrany. Nampahafantarina ihany koa fa efa nisokatra ny fanadihadiana momba ity loza ity, sy ny fitadiavana izay mety ho tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici