- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Nirodana ny rindrin'ny fonja, gadra 4 maty, 12 naratra mafy

Antsohihy : Nirodana ny rindrin’ny fonja, gadra 4 maty, 12 naratra mafy

Vokatry ny firodanan’ny rindrin’ny fonjamben’ Antsohihy, afak’omaly asabotsy tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro, dia gadra efatra no maty, ka voafonja telo tamin’ireo maty tsy tra-drano. Voafonja 12 hafa kosa naratra mafy tsy maintsy naiditra hopitaly, ka atahorana mafy amin’izao ny ain’ ny sasany amin’ireo gadra maratra, izay voalaza fa voadona mafy teo amin’ny lohany. Amin’ny fitsinjovana ny maha olona, dia  depiote iray voafidy any an-toerana no fantatra fa mandray an-tanana miantoka ny fitsaboana an’ireo voafonja tra-doza. Raha ny tombana dia noho ny fahateren’ny fotodrafitrasan’ ity fonja ity no nitarika ny loza nampirodana ny rindrin-trano, satria hatramin’ny taona 1956 niorenan’ ny fonjan’Antsohihy, dia mbola tsy nisy mihitsy ny asa fanarenana na fanamboarana. Na teo aza izay firodanan’ny rindrin’ny fonja izay, dia tsy nisy kosa ireo gadra nandositra, hoy ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici