- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Rongony 600 kilao saron’ny zandary

Antsohihy : Rongony 600 kilao saron’ny zandary

Nifanenjehana ireo mpilanja kanefa tsy tratra fa samy nanao tari-dositra nitsoaka, namela ireto entana nolanjain’izy ireo. Rongony manodidina ny 20 isa teo no sarona, izay tombanana hilanja any amin’ny 600 kilao tany ho any. Dingana lehibe ho amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony indray no vitan’ny teo anivon’ny zandary tany amin’ny distrikan’Antsohihy iny. Araka ny fampitam-baovao dia rongony maina, efa vonon-kamidy  manodidina ny 600 kilao teo no sarona ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny kaominina Ambodimanary. Talohan’io fotoana io mantsy dia nahazo angom-baovao ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra ao Ambodimanary fa misy olona mampiahiahy milanja gony maromaro mandalo ao atsimon’ny fokontany. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ary indreo tokoa fa nifanena tamin’ireo olona ireo. Iretsy farany kosa, vao nahita ireto mpitandro filaminana dia rafitra nitsoaka, namela ireo entany. Niezaka nanenjika ny zandary hoy hatrany ny vaovao saingy noho ny andro maizina sy ny fahalalan’ireo olon-dratsy ny toerana dia tafaporitsaka izy ireo. Nogiazana kosa ireto rongony be ireto ary natao fitanana an-tsoratra. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana entina hamantarana izay mety tompony any an-toerana.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici