- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Rongony iray taonina tra-tehaky ny mpitandro filaminana

Antsohihy : Rongony iray taonina tra-tehaky ny mpitandro filaminana

Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, dia rongony milanja iray taona eo no saron’ny Polisim-pirenena tao Ankazobetsihay ; any amin’ny Distrikan’ Antsohihy, renivohitry ny Faritra Sofia, ny talata teo. Tovolahy tanora miisa 11, ka 14 taona ny zandriny indrindra, ary 29 taona no zokiny no voasambotra. Araka ny tati-baovao voaray, dia nentina dia an-tongotra nolanjaina an-tsoroka  avy tany Analabe Distrikan’ Ambanja saika hoentina any Ambalafaminty Antsohihy ireto rongony marobe nafatratra tao anaty gony no tra-tehaka tao amin’ny barazin’ Ankazobetsihay. Afak’omaly moa no nodorana imasom-bahoaka , ka natrehin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana, toy ny avy ao amin’ny Prefektiora, ny Kaominina ambonivohitry Antsohihy, sns ireto rongony sarona.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici