- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Tovolahy tratra nanaparitaka vola sandoka

Antsohihy : Tovolahy tratra nanaparitaka vola sandoka

Vola sandoka roa alina ariary miisa valo no tra-tehaka ny pôlisy teny an-tanan’ity tovolahy iray 32 tao tao Antsohihy, ny sabotsy teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia nandritry ny fividianany zavatra tao amin’ny mpivarotra enta-madinika iray, tao amin’ny fokontany Ambalambe Andrefana, faritra Ambalafary, distrika Antsohihy no voatsikaritry ny mpivarotra ny vola nomeny fa sandoka. Notazomin’ireo mpivarotra teo no ho eo avy hatrany ity tovolahy ity ary niantsoana mpitandro filaminana. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany tany amin’ny biraom-paritra ny Filaminam-bhaoaka ny tenany. Tamin’ny fisavàna natao azy no mbola nahitàna ireo « ravim-bola manga malagasy » vitsivitsy ireo tany aminy, izay mbola tsy voaparitaka. Tsy fantatra hatreto araka izany na efa nisy maromaro tany ka efa niparitaka tany an-toerana na vao nikasa ny hanaparitaka toa izao ity tovolahy ity. Mampametram-panotaniana ihany koa ny loharano niavian’izany vola sandoka izany teny aminy. Marihana fa efa maromaro tamin’ity tovolahy ity izay no tratra nanaparitaka vola sandoka tany amin’iny faritra iny. Mbola mitohy moa ny famotorana eny anivon’ny pôlisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici