- Publicité SW45 -
jeudi, mai 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Tovolahy voalaza ho mpangalatra matin’ny fokonolona

Antsohihy : Tovolahy voalaza ho mpangalatra matin’ny fokonolona

Nandratra ny iray tamin’ireo andrimasom-pokonolona, tonga hisambotra azy ity tovolahy ity ary nanararaotra nitsoaka. Raikitra anefa ny fanenjehana azy. Nandeha ny tora-bato isan-karazany. Tsy ela dia lavo ny tovolahy. Naratra mafy vokatr’izay ary namoy ny ainy. 29 taona izy ary monina amina kaominina tsy lavitra teo. Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tao fokontany Ankihirihy Nord, ao amin’ny distrikan’Antsohihy, ny alin’ny alatsinainy teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana, efa ny faramparan’ny taona teo no nisy fifandirana tamin’ireo mpanao andrimasom-pokonolona tao an-toerana ny tenany raha voasakan’ireto farany. Nampiahiahy tanteraka mantsy ny fihetsiny tamin’izay fotoana izay ka nandray andraikitra ireto andrimasom-pokonolona. Nanohitra izany fisamborana azy izany ny lehilahy, raha ny vaovai hatrany ary nandratra ny iray tamin’ireto mpiambina ireto mihitsy ary tafatsoaka. Ny alin’ny alatsinainy teo, fantatra indray fa niverina tao an-tanana izy ary niafina tao amin’ny trano iray. Nangataka ny hivoahany tao moramora ireo andrimasom-pokonolona « hiresaka milamina » ary hanatitra azy any amin’ny mpitandro filaminana. Nivoaka avy tao amin’ny fiafenany tokoa ranamana saingy niaraka tamin’ny antsy lava lela indray ary nandratra ny iray tamin’ireto mpisambotra no sady nanararaotra nitsoaka. Tsy nanaiky intsony nanana ny naratra ary rafitra nanenjika. Torak’izay ihany koa ny fokonolona rehefa nahafantatra ny zava-nisy. Marihana, raha ny voalazan’ny namana mpanao gazety avy an-toerana hatrany, fa « very dia ireo tovolahy andrimasom-pokonolona » tsy nahita azy intsoby. Ireo fokonolona tamina toerana hafa no nahatazana ity farany ary rafitra nanao ny fanenjehana niaraka tamin’io tora -bato io izay nahalavo azy. Izy efa tsy nisy aina intsony no hitan’ireto andrimasom-pokonolona ary nampiantsoana ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Ireto farany no nitondra ny razana tany amin’ny tranom-paty ary nanokatra ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici