- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFifidianana solombavam-bahoaka : Aoka ho fifaninana madio no hatrehan’ny rehetra

Fifidianana solombavam-bahoaka : Aoka ho fifaninana madio no hatrehan’ny rehetra

Isan’ny andrasan’ny maro amin’izao fifidianana izao ny hisian’ny tena fifaninana madio eo amin’ireo kandida handray anjara amin’izany. Ny tompon’andraikim-panjakana rehetra manomboka any amin’ny lehiben’ny distrikta mba samy tsy hiandany na amin’iza na amin’iza. Izay vokatra eo dia ho eken’ny rehetra ka ho tena adin’ombalahin’ny mpianakavy tokoa no hatrehina ka ny mandresy tsy hobiana ary ny resy tsy ankoraina. Izany no fanirian’ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred, izay isan’ny kandida hirotsaka ho fidiana ao anaatin’ny distrikan’i Kandreho, faritra Betsiboka amin’izao hazakazaka ho eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izao. Nambarany ary fa vonona tanteraka ny tenany hiarahaba sy hifanome tanana amin’izay mpifanina aminy ka mandresy satria tsy hisy mihitsy ny fandrosoana ao anaty fifandrafesana, hoy izy. Aminy dia ny fahantrana no fahavalo iombonan’ity firenena ity indrindra fa ao amin’ny distrikta misy azy. Mba handresena izany dia loha-laharana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Eo amin’izay lafiny izay dia efa misy ny fifampiresahana natombok’ity jeneraly ity tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny mpitandro filaminana ny hamitana tanteraka ny tobin’ny BOA ao kandreho. Mirary koa ny tenany ny hanamafisana ny fampihofanana ireo mpitandro filaminana miasa any an-toerana mba hametrahana fandriam-pahalemana maharitra fa izany ihany no hanome reziky ireo mponina hiasa ka hisian’ny famoronan’asa. Nohamafisiny hatrany moa fa ny fahatahorana an’Andriamanitra no tena zava-dehibe ao anatin’izany rehetra izany.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici