- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAramena-Diégo : Niady vehivavy, nisy maty tao anaty rombo

Aramena-Diégo : Niady vehivavy, nisy maty tao anaty rombo

Raikitra ny rombo, ny alin’ny alatsinain’ny paska lasa teo. Ny antony dia noho ny fisian’ny lehilahy roa izay niady vehivavy. Efa ela izy ireo no nisy romoromo noho ny taranak’i Eva io ary rehefa nifankahita tampoka tao amin’ny toeram-pisotroana ny telo tonta, dia nirehitra indray ny afo. Raikitra ny rombo satria niditra an-tsehatra ihany koa ny naman’ireo lehilahy. Niasa avokoa ny zava-maranitra, ny tavoahangy ary mazava hoazy ny totohondry. Vokatr’izany dia telo no naratra mafy. Ny iray tamin’ireo no namoy ny ainy noho ny tsatok’antsy nahazo azy. Taorian’izay, dia nisy nampandre ny zandary izay nidina teny an-toerana ary nanao ny fisamborana izay nahiahiana ho nahavanon-doza. Natao ny fisamborana ka nisy niaiky ny heloka vitany ny iray tamin’ireo olona efatra izay nalain’ny zandary am-bavany. Notanana avokoa ireo noho ny vono sy ratra niniana, vono olona ary firaisana tsikombakomba tamin’ny fanatontosana ireo heloka ireo. Tao anatin’ny minitra vitsy monja izay dia nivadika ho maizina tanteraka ny hoavin’ireo tanora nentim-po ireo. Tsy maintsy hiditra am-ponja ary indrindra koa hotsaraina noho ny heloka bevava noho ny fisian’ny olona namoy ny ainy tao anatin’ilay adiady.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici