- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Efa-mianaka nokapakapain’ny jiolahy tamin’ny famaky

Arivonimamo : Efa-mianaka nokapakapain’ny jiolahy tamin’ny famaky

Nitrangana fanafihana niharo vono olona mahatsiarvina tao amin’ny fokontany Tsarazaza, kaominina Ambohitrambo, Arivonimamo, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Araka ny fantatra dia tokantrano iray no niharan’ny fanafihan-jiolahy. Vokany, maty namoy ny ainy ny raim-pianakaviana raha naratra mafy kosa ny vady ama-janany. Raha ny angom-baovao hatrany dia mpividy volamena ny ao amin’ity tokantrano ity. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no notongavan’ny jiolahy mirongo fiadiana izy ireo. Telolahy ireto farany niaraka tamin’ny antsy sy famaky ary nihanika tamin’ny alalan’ny tohatra sy niditra an-keriny tao an-trano. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nandrahona ny tompon-trano sy nitaky ny vola. Tsy nanaiky nolembenana tamin’izay anefa ireo tao an-trano fa niezaka nanohitra ireto mpanafika. Raikitra ny ady saritaka. Tsy nahaleo tosika ireo jiolahy efa vonon-kamono izy efa-mianaka tompon-trano ka nitolefika. Voakapakapa famaky ilay raim-pianakaviana, voatsindrona ramatoa vadiny ary samy naratra voarasarasa sy voadaroka ny zanak’izy ireo. Tsy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy tafilaza ny fitoeram-bola ka lasan’ireto farany tamin’izany ny vola. Nitsoaka toy tsy teo moa izy ireo nony avy eo. Taorian’io moa vao afaka niantsoa vonjy. Nentina nihazo ny tobim-pahasalamana avy hatrany izy ireo saingy raha ny vaovao hatrany dia tsy tana ny ain’ilay rangahy noho ny fahaverezan-drà be loatra. Mbola manaraka fitsaboana kosa etsy andanin’izay izy telo mianaka. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary raha vao nahazo fampandrenesana. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ary efa mandeha ihany koa ny fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici