- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Tovolahy 18 taona Md noho ny fanolanana

Arivonimamo : Tovolahy 18 taona Md noho ny fanolanana

Simba tanteraka ity tovovavy vao 11 taona monja noho ny fanolanana nataona tovolahy 18 taona azy. Noho ny fitoriana nataon’ny Ray aman-dRenin’ity farany, dia ny 22 jjolay teo no nosamborin’ny polisy  ilay voalaza fa nahavanon-doza. Mpiara-monina aminy ihany ity ankizivavy ity. Nadalain’ity tovolahy ity ilay zazavavy ka  nentiny tany amin’ny toerana mangingina. Rehefa tonga tany amin’ilay toerana izy ireo dia nampiresahan’ilay tovolahy izy. Nandritra izany no nanatsofohan’ilay tsy mataho-tody ny rantsan-tanany tany amin’ny fivavian’ilay tovovavy. Nony tonga tany an-trano ity farany dia nitantara tamin’ny ray aman-dreniny izay nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’Arivonimamo avy hatrany. Natao ny famotorana ary nosamborina teny Antaboaka CR Arivonimamo II ilay tovolahy. Niaiky ny heloka vitany moa ilay voampanga ka naiditra am-ponja vonji-maika rehefa natolotra ny fitsarana, omaly.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici