
Isan’ny raharaham-pitsarana betsaka mpanaraka ny mahakasika ity heloka bevava nihatra tamin’i Tsoa Vhf ity. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tamin’ny tsatoka antsy marobe ity artista ity ny 8 novambra 2022. Rehefa nandeha ny fanadihadian’ny zandary dia niantefa tany amin’ny mpiara-mihira aminy ny ahiahy voalohany. Io izay voalaza fa sady sakaizany. Tsy izay ihany anefa fa mbola voasaringotra koa ny vadin’io vehivavy io ary niara-nidoboka am-ponja aminy ao Antanimora. Ankoatra izay dia nisy lehilahy roa hafa. Isan’izany ny mpamily, nosamborina rehefa voarohirohy ho mpiray tendro tamin’ny famonona olona sy ny fanatontosana an’izany. Nidoboka am-ponja eny Antanimora sy Tsiafahy ireo olona efatra ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Omaly no voatondro hitsarana voalohany ny raharaha saingy ny roa tonta dia samy nilaza, avy amin’ny mpisolovava, fa samy tsy nahazo fampahafantarana sy fampiantsoana momba izany. Na ny vavolombelona aza tsy vonona sy tsy tonga noho izay antony izay. Nanapa-kevitra araka izany ny fitsarana ady heloka bevava fa hahemotra amin’ny andro manaraka ny fitsarana. Omaly dia nanamafy ny fangatahana fahafahana vonjy maika ho an’ny olona arovany ny mpisolovava an’ireo nidoboka am-ponja. Nolavin’ny fitsarana izany. Raha tsiahivina dia tao anaty fiara no nahitana ny vatana mangatsiakan’i Tsoa, teny amin’ny lalam-pirenena fahatelo. Mpandraharaha amin’ny sehatry ny saribao izy ary nisy tamin’ireo mpiara-miasa aminy koa no isan’ny voasambotra. Voalaza koa fa nisy vola very teny aminy tamin’io fotoana nahitana azy feno tsindrona antsy io. Resa-bola ve sa raharaham-pitiavana nivadika famonoana ho faty, sa izy roa miaraka, ny ao ambadik’ity heloka bevava ity? Mety ho voazava mandritra ny raharaham-pitsarana izany fanontaniana izany.
D.R