- Publicité SW45 -
vendredi, mai 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsa fanompoam-pirenena : Maimaimpoana ny fidirana ho « zazavao »

Asa fanompoam-pirenena : Maimaimpoana ny fidirana ho « zazavao »

Nankatoavina tao amin’ny filan-kevitry ny minisitra izay natao tamin’ny 20 martsa lasa teo ny fandraisana ireo « zazavao » hanao ny asa fanompoam-pirenena miaramila eo anivon’ny foloalindahy amin’ity taona ity. Efa misokatra araka izany ny fandraisana ny fangatahana sy ny antontan-tarasasin’ireo izay mikasa ny hanao izany adidy masina izany. Zatovolahy 2000 no handrafitra ny kilasy 2024 ka ireo izay teraka teo anelanelan’ny taona 2000 ka hatramin’ny taona 2005 no voakasik’izany. Fepetra takiana amin’ireo izay hiditra amin’izany ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy sy ny fananana ny karatra maitso, izany hoe efa nitsara miaramila. Ho an’ireo izay mahafeno ireo fepetra ireo dia afaka manao taratasy fangatahana ahitana ny adiresy mazavan’ny mpangataka, ny distrika misy azy sy ny laharan’ny findainy. Lazaina ao ihany koa ny toby miaramila tiana hanaovana ny fanompoam-pirenena. Atao ao anatin’ny antontan-taratasy ilaina ihany koa ny dika mitovy ny kara-panondrom-pirenena sy ny dika mitovy ny karatra maitso. Farany, izay tsy voatery, dia azo atao ihany koa ny mandefa ireo taratasy hafa toy ny diploma sy ny « certificat » samihafa. Ireo rehetra ireo dia alefa paositra amin’Andriamatoa Jeneraly, Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, BP 394 Andohalo Antananarivo (101) na amin’Andriamatoa JENERALY, Talen’ny Fanompoam-pirenena sy ny Fitantanana ny Fiandry, BP 900 Andohalo Antananarivo (101). Ireo teraka tamin’ny taona 2005 kosa dia any amin’Andriamatoa lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika no alefa ny fangatahany. « Tsy misy ny vola aloa amin’ny fidirana ho zazavao fa maimaimpoana hatrany », hoy ny Jeneraly Raoilison Robert, Talen’ny Fanompoam-pirenena sy ny Fitantanana ny Fiandry, raha nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny DSNGR (Direction du Service National et de la Gestion des Réserves) Andohalo, omaly. Mampitandrina ireo izay mety hitaky vola sy mieritreritra hanao risoriso araka izany izy, fa misy ny lalàna velona azo hanenjehana azy ireny ary ho hentitra ny famaizana. Marihina fa ny 30 aprily 2024 no fara-fandraisana ny antontan-taratasy fidirana ho « zazavao » kilasy 2024.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici