- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo : Manamboninahitra iray maty voatifitra

Asan-dahalo : Manamboninahitra iray maty voatifitra

Ny lefitry ny fibaikoana ny toby miarmaila ao Mandoto no namoy ny ainy, nandritra ny fifanandrinana tamin’ny dahalo, ny alahady lasa teo. Dahalo 17  no narahin-dia ary niafara tamin’ny fifampitifirana izany. Samy nisy lavo roa ny  telo tonta : ny fokonolona nanampy tamin’ny fanarahan-dia, ny dahalo ary ny mpitandro ny filaminana. Naharitra adim-pamantaranandro roa ny fifampitifirana tao anaty kizo izay nitarika ny fahafatesan’ilay lehiben’ny miaramila. Tao anatin’izany ihany koa anefa no nahalavo dahalo   fito izy sy ny ekipa nentiny. Tao anatin’izany fifanandrinana izany no nisy olon-tsotra telo voan’ny bala. Ny iray tamin’izy ireo no namoy ny ainy raha mba voavonjy kosa ny roa hafa. Midika izany rehetra izany, fa mitovy tsy misy valaka amin’ireny horonan-tsarimihetsika « commando » ireny ny zava-misy any amin’ny faritra amin’izao fotoana, mahakasika ny asan-dahalo. Saingy toa tsy misy akony firy eto an-drenivohitra noho ny halavirana. Nefa dia horohoro isan’alina no iainan’ny olona any ambanivolo any.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici