- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAsan-dahalo : Nahatratra folo ireo maty voatifitry ny zandary afak’omaly

Asan-dahalo : Nahatratra folo ireo maty voatifitry ny zandary afak’omaly

Tsy misy fitsitsiana ! Amparafaravola, Moramanga, Miarinarivo, toerana saika nisiana fifandonana mahery vaika teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny dahalo avokoa, ny sabotsy lasa teo. Tao anatin’izany dia fantatra fa nahatratra folo ny isan’ireo olon-dratsy lavon’ny zandary tamin’ireo toerana ireo.

Niatomboka ny marain’ny sabotsy, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any, tao amin’ny kartié Antetezamena, fokontany Ambohitranjavidy, kaominina Moramanga ny fifanandrinana. Andian-jiolahy nikasa ny hamoaka ireo namany, nigadra ao amin’ny fonjan’i Moramanga no nifanehatra tamin’ny zandary, izay notarihan’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra any an-toerana. Nisy avy hatrany ny fifandonana sy fifampitifirana ka lavo tamin’izany jiolahy anankiroa, izay efa fanta-daza amin’ny resaka fakàna an-keriny sy nampitondra faisana ireo mponina tamin’ireo distrika manodidina.

Mbola raharaha fakàna an-keriny ihany ary tao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro hatrany. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tamin’io andron’ny sabotsy io ihany mantsy dia voalaza ihany koa jiolahy telo, kalaza lahy sy rain-dahiny amin’izay raharaha maloto izany no voatifitry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Alaotra Mangoro, tao Morarano Chrome. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nikasa  ny hanafika fokontany iray tany an-toerana izy ireo sy ny namany, no notongavan’ny zandary tany an-toerana rehefa voaray mialoha ny vaovao. Raikitra teo ihany koa ny fifampitifirana.

Ary ny tolakandron’ny sabotsy, tany amin’iny faritra Itasy iny indray, dimy tamin’ireo jiolahy mpanafika tsena no maty voatifitra. Tao amin’ny kaominina Sarobaratra Ifanja, distrika Miarinarivo no niseho ity tranga fahatelo ity. Tonga nandrava ny tsena tao Antsapantelo mantsy ny dahalo fitolahy, nirongo fitaovam-piadiana. Mpandraharaha iray tao an-toerana no nataon’izy ireo lasibatra izay nahazoan’izy ireo vola mitentina eo amin’ny 18 tapitrisa ariary teo. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo zandary tany an-toerana, nampian’ireo miaramila teo anivon’ny Tafika. Mbola tratra teo an-toerana ireo olon-dratsy ary raikitra ihany koa ny fifandonana. Naharitra adin’ny roa maninjitra izany, saingy noho ny fikirizana sy ny vy verin’ny ain’ireo mpitandro filaminana dia nahitàna vokatra ihany. Dimy tamin’ireo malaso no lavo ary nitsoaka toy ny teo ireo namany. Azo ny ampaham-bola lasa, niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy ireo ody gasy nentin’izy ireo nanafika.

Hatramin’ny omaly, nanoratanay dia voalaza fa samy mbola eny ankianja avokoa ireto zandary ireto, ary tsy hamela raha tsy voasambotra avokoa ireo olon-dratsy naman’ireto voatifitra ireto, izay tafatsoaka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici