- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : 1290 ireo olona voasambotry ny polisy, 27 no maty

Asan-jiolahy : 1290 ireo olona voasambotry ny polisy, 27 no maty

Miasa ny pôlisy. Nisy ny antontanisa navoakany teo anivon’ny pôlisim-pirenena mahakasika ireo vokatra azon’izy ireo nandritra ity taona ity : nanomboka ny volana janoary lasa teo ka hatramin’izao volana desambra izao. Araka ny voalaza dia teto amin’ny faritra Analamanga sy Menabe, ary Atsinanana no nahitàna taha ambony indrindra tamin’izany resaka fanafihana sy asan-jiolahy izany, raha tsapa kosa fa nihena tanteraka izany tany amin’ny faritra Analanjirofo, Betsiboka ary Sofia. Tao anatin’izany rehetra izany, raha ny antontanisa voaray, dia nahatratra 1290 ireo olona voasambotry ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena tao anatin’izany 12 volana izay, ary niisa 27 ireo jiolahy maty voatifitra, tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny. Nahitàna trangana halatra sy fanafihana mitam-piadiana nahatratra hatrany amin’ny 241 no noraisin’ireo an-tanana : 226 no fantatra fa tanteraka, raha 15 tamin’izany no voasoroka mialoha, raha ny fampitam-baovao hatrany. Tao anatin’ireo, nisy 11 ny trangana fakàna an-keriny niseho. 

Noho ny firoborobon’ny teknolojia ihany koa dia azo lazaina fa niasa ary nahazo vokatra ny teo anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka na ny « cybercriminalité ». Tranga manodidina 378 no efa voakirakira ary nahafahana nisambotra olona hatrany amin’ny 334 tany ho any izay nanaovana fanadihadiana. Voalaza fa 115 tamin’ireto olona ireto no nadoboka am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Marihana fa manodidina ny 670 tany ho any ny fitairanana sy ny tranga fitorohana voarain’ity sampan-draharahan’ny pôlisy ity, araka ny vaovao azo hatrany.

Etsy andanin’izay, anisan’ny vaindohan-draharahan’ny pôlisim-pirenena, ny miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, izay nahazo laka tokoa tao ho ao izay. Indrindra fa ireo resaka zava-mahadomelina mahery vaika. Manana sampandraharaha manokana miady amin’izay rahateo moa izy ireo. Amin’izay lafiny izay dia fantatra fa heroine nahatratra hatrany amin’ny 149,62g tany ho any no sarona, niaraka tamin’ny Cocaine 88,6g ary Métamphétamine eo amin’ny 4,4g teo. Ho an’ny rongony tsotra dia nahasarona teo amin’ny 448,50kg teo ny pôlisin’ny Stup. Teo ihany koa ny fanagiazana « alcool frelatés » hatrany amin’ny 4024 litatra tany ho any, izay tratra tany amin’ny faritra Menabe sy Atsinanana iny, ary paraky gasy 320g.

Vokatra nandritry ny taona io, hoy ny fanazavana azo fa tsy mijanona amin’izay akory ny asan’ny pôlisim-pirenena fa mbola mitohy hatrany ary hangatahana fiaraha-miasa matotra amin’ny vahoaka, hahafahana misoroka sy mametraka fandriampahalemana eto amintsika

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici