Ny alatsinainy teo no nambaran’ireo namany sy ny fianakaviany fa tsy hita popoka ny nisy ity mpamily Tuc-Tuc vao 20 taona monja iray ity. Ny talata teo no hita faty tao amin’ny faritra Tanandava ity tovolahy nitondra ilay Tuc-Tuc ity, feno dian’antsy ny tenany tamin’ny nahitana azy izao. Nambaran’ireo fianakaviany sy ireo namany kosa fa nanjavona ny moteran’ilay Tuc-Tuc nentiny tamin’io fotoana io. Efa eny amin’ny zandary misahana ny raharaha vono olona ny raharaha izao, ka mandeha ny fikarohana ireo nahavanona izao vono olona mahatsiravina izao na mbola tsy nitory aza ny fianakaviany noho izy resaka vono olona mahatsiravina. Raha ny fanamarinana avy amin’ireo mpamily Tuc-Tuc eto Toamasina dia tsy vao izao no nitrangan’izany vono olona izany tamin’izy ireo. Efa maro izay tratran’ny vono sy faharatrana vokatry fanafihan’ny andian-jiolahy mpanafika Tuc-Tuc izay, ary saika iny faritra Tanandava iny hatrany no anarian’izy ireo ny fatin’olona avy novonoin’izy ireo. Nanazava ihany koa ny vadiny fa amin’ny 07ora sy sasany no fahatongavany avy mamily tuc-tuc ao an-tranony, efa tapitra tonga avokoa ireo namany ao an-tanana mpamily tuc-tuc, saingy tsy nety tonga izy na efa tonga aza ny tamin’ny 09 ora alina ny alatsinainy, ka niantso ny fianakaviny ilay vadiny. Saika ny moteran’ireo Tuc-Tuc ireny hatrany no manjavona mandritra izany vono olona sy fanafihana Tuc-Tuc izany, midika izany fa misy bizina mandeha amin’ny famarotana moteran’ny Tuc-Tuc eto amintsika. Eo am-panadihadiana izany rehetra izany ny mpitandro ny filaminana amin’izao raharaha mpamily Tuc-Tuc nahitana dian’antsy marobe tao Tanandava izao, na mbola tsy nitory teny anivon’ny zandary misahana ny ady heloka be vava aza ny fianakaviany. Manao antso avo amin’ny fanjakana koa ireo mpamily tuc-tuc ny hiarovana azy ireo amin’ny asany.
Malala Didier