- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Mipetraka Tanjombato, manafika any Andramasina

Asan-jiolahy : Mipetraka Tanjombato, manafika any Andramasina

Avy eo Tanjombato sy Ankadimbahoaka ny sefon’ireo jiolahy izay tonga nanafika any Andramasina. Tsy fanafihana fotsiny no nitranga fa mbola naolan’ireo koa ny vehivavy tao amin’ilay tokatrano. Nitondra basim-borona sy sabatra ary baramina ireo fitolahy izay nanatontosa ny heloka bevava. Nisy hatramin’ny fanerena ny tompon-trano mba handefa ny vola mipetraka anaty finday. Izany hoe najifan’ireo jiolahy avokoa izay mety ho vola sy zava-tsarobidy tao amin’ny tokantrano, eny hatramin’ny kaonty anaty finday aza. Fa nanampy tamin’ny fikarohaka kosa anefa ny fisian’ilay fandesana vola. Olona sivy no efa voasambotry ny zandary. Misy amin’ireo no nandray anjara mivantana ary misy koa ny mpiray tsikombakomba. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia saika olona mipetraka eto an-drenivohitra avokoa ny tompon’antoka tamin’ity heloka bevava ity. Mbola misy roa lahy karohina izay mitondra ny anarana Zaka sy Tafita. Mandeha ny hazalambo ary nanentana ny olona ny zandary mba hanome vaovao mahakasika azy ireo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici