Ambonin’i Princy, izay efa namoahana didy fikarohana ny herinandro lasa teo, dia fantatra izao fa mbola misy namany hafa, namoahan’izany didy izany, araka ny nambaran’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava. Karohina fatratra amin’izao izany Rabokona izany, na Rakotomamonjy Lalaina Richard miaraka amin’ny vadiny Raharimanantsoa Ravaka. Ity farany dia voarohirohy amina resaka firaisana tendro amin’ny jiolahy sy firaisana tsikombakomba amin’ny fitsoahana. Rabokona kosa araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana hatrany, dia heverina ho isan’ireo jiolahy mpaka an-keriny sy tompon’antoka amin’ireo karazam-panafihana maherivaika sy mitam-piadiana teto an-drenivohitra tato ho ato. Araka ny taratasy fikarohana laharana faha -2532/MSP/SG/DGPN/DPJ/SCAC/BC.4 sy ny 2562/MSP/SG/DGPN/DPJ/SCAC/BC.4 navoakan’ny pôlisy dia iangaviana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny na izay olona mahita ireto olona ireto, mba hisambotra azy ireo avy hatrany ary hampandre ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy azo amin’ny laharana 0340551726. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany dia teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny izy ireo no fantatra fa mipetraka. Azo lazaina fa mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny avy ao amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, mahakasika ireo olon-dratsy, voarohirohy amina resaka asan-jiolahy sy fakàna an-keriny nisesisesy teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritany. Fa eo amin’izay lafiny izay hatrany, dia mbola tsy nahitana mangirana hatreto ny mikasika ireo terantany karàna nisy naka an-keriny ny herinandro lasa teo. Mbola mandeha hatrany ny fanadihadiana momba izay. Azo heverina fa mety hisy hifandraisany amin’ireto olona karohina ireto ihany iny raharaha iny.
m.L