- Publicité SW45 -
mardi, janvier 21, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-tagnamaro fanamboaran-dalana : Nahay niray hina ireo fokonolona tao Andapafito, Analanjirofo

Asan-tagnamaro fanamboaran-dalana : Nahay niray hina ireo fokonolona tao Andapafito, Analanjirofo

Resy lahatra tokoa ny fokonolona tao amin’ity kaominina Andapafito, faritra Analanjirofo ity fa miainga amin’izy ireo ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay. Niroso tamin’ny fanamboarana ny lalana tany an-toerana ireto vahoaka, izay niaraka amin’ny ben’ny tanàna voafidy tao an-toerana, ny talata lasa teo. Tonga nanotrona izany ny Goverinoran’ny faritra, ny Dr Randriamanantena Marcellin sy ny mpiara-miasa aminy. Velom-panentanana tokoa manoloana izao finiavan’ny vahoaka izao. « Hanampy anareo bebe kokoa ny tenako hoy izy satria efa hita sy tsapa ny ezaka ataonareo. Tsy maintsy handefasana ireo milina mpanamboatra lalana Andapafito. Izay rahateo ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena hajaina. Tsy hadino velively ny Kaominina Andafito ». Horakoram-pifaliana moa no nandraisan’ireo mponina izany tenin’Atoa Goverinora izany tany an-toerana. Nanararaotra nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ihany koa ity tompon’andraikitra ity ho an’ny fokontany Ambodinato izay varavarana hidirana amin’ny Kaominina Andapafito. Tsy hadinony ihany koa ny fanampiana sy fampifalifaliana ireo vahoaka nandray anjara tamin’ny asan-tagnamaro. Velom-pisaorana ireo vahoaka ireo ary mahatsapa fa manana Raiamandreny mijery. « Mahalana, hoy izy ireo, no misy ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny Faritra mijery ifotony tahaka izao »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici