- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversASIEF Vakinankaratra : Hampidirina anaty taranja ny kick boxing

ASIEF Vakinankaratra : Hampidirina anaty taranja ny kick boxing

Fanokafana ny ASIEF teto Antsirabe ( sary Andry N)

Lalao iray afahan’ny mpiasampanjakana efa manana I.M sy ho an’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana CTD  mifaninana ara-panatanjahan-tena ny ASIEF na Associaton Sportive Interministerielle pour  l’entretient des Fonctionnaires.

Ny datin’ny 14 Aprily lasa teo no nanokafana ara pomba ofisialy ny lalao ho an’ny faritra vakinankaratra. Hahatritra telo hatramin’ny efa-bolana ny fafaninana hatao eto Antsirabe. Maro ny taranja handraisana anjara amin’izany ary saika hahitana mpandray avokoa fa isan’ny hampiavaka ny eto amin’ny faritra Vakinankaratra dia hampidirana ny hay ady kick boxing sy savate boxe Francaise ny lalao  manomboka amin’ity taona ity.

Fahombiazana hatrany ny hetsika hoy Rakomavo Boris, filohan’ny ASIEF Vakinankaratra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety satria maro ireo mpandray anjara, mahatratra 16 ireo sampandraharaham-panjakana mandray anjara ankehitriny.

Tsy misy ny salan-taona na sokajy fa natao OPEN ny fifaninana, ny taranja Volley ball sy basket ball kosa no afaka mifangaro ny lahy sy ny vavy.

Mazava ho azy fa ny taranja baolina kitra no be mpanao sy mpakafy indrindra ka ho fandaminana sy  hampirindra ny fifaninana dia afaka mifangaro ny sampandraharaha samy hafa  raha toa  ka tsy mahefano isa ny sasany.

Misy manerana ny Nosy ny ASIEF, tanjona izay nankatoavin’ny OMS ny fampihenana ny rarin-tsaina mahazo ny mpiasam-panjakana; mampatanjana ny mpiasam-panjakana ihany koa ny fanaovana fanatanjahan-tena, ankoatra izay dia  hisian’ny fifanakalozana sy firaisankina indrindra rehefa tonga any amin’ny nasionaly ny ASIEF.

Andry N 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici