Ankoatra ny maha fifaninana ara-panatanjahantena azy dia natao indrindra hanamafy ny firaisan-kinan’ny mpiasam-panjakana ny ASIEF na “Association Sportive Interministeriellepour l’Entretien des Fonctionnaires” . Hampiroboroboana ny fanatanjahantena rahateo, no mampivondrona ny mpiasam-panjakana ny tanjony hoy Rtoa Randriamanantena Lova Mirantsoa filoha rezionalin’ny ASIEF Vakinankaratra
Taranja fito no hifaninana, ka ireo ekipa mendrika indrindra no hisolo tena ny faritra hanatrika ny ASIEF nasionaly hatao any Manakara ny17 Aogosotra 2026.
Mampivaka ity ASIEF andiany ity ny fampidirina ny lalaon-tsaina “ Fanorona”, izany dia noho ny fangatahan’ny teo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Ny faran’ny herinandro teo no efa nanombohan’ny fifaninana ho an’ny taranja iombonana natao tao amin’ny ACMIL Antsirabe.
Marihina fa fifaninana maro no raisin’ny Akademia miaramila amin’ny fanatanjahantena tahaka izao, izany dia tafiditra ao anatin’ny firaisan-kina sy firaisan-tsaina amin’ny fankalazana ny faha 60 taona nisian’ny sekoly. Tsipihina mantsy fa mbola ao anatin’ny fifaninana amin’ny “tournoi fifankativana ” ihany koa ny Akademia, izay iarahany misalahy amin’ny kaominina Ambonivohitra Antsirabe.
Andry N.


