- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAtsimo-Andrefana : Dinabe hiadiana amin’ny fahalovana rehetra

Atsimo-Andrefana : Dinabe hiadiana amin’ny fahalovana rehetra

Nanomboka ny volana jona 2018 nampiatoana tamin’ny fomba tsy mazava ny Dinabe, dia nirongatra izai tsy izy ny asan-dahalo narahina vono olona tany amin’ny distrikan’i Sakaraha, ka mandry andriran’antsy isan’andro ny mponina. Taorian’ny fitarainana maro samihafa avy amin’ny vahoaka, dia nidina ifotony ary namerina indray ny Dinabe tany an-toerana ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, Kly Rabe Jules. Nisy ny fanolorana fanamiana sy finday ho an’ny mpikamban’ny Dinabe, ary tambin-karama telo volana ho an’ireo Sefo Fokontany sy ny lefiny, afak’omaly. Raha ny fanazavana azo, dia amin’ny maha rain’ny Dinabe an’ity olom-boatendry manam-boninahitra ambony avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena ity no nanaovany ny hetsika mba ho fampirisihana hatrany ireo mpanatanteraka ny dina. Ny andron’ny talata io hatrany, dia notoloran’ny Lehiben’ny Faritra fampitaovana sy telefaona ary fanamiana ihany koa ny Dinabe any amin’ny Kaominina ambanivohitra Andranovory Toliara II, ary nomena mari-pakasitrahana lelavola iray tapitrisa ariary ireo fokontany nahazo voalohany sy faharoa tamin’ny fifaninanana « soa ty malio ».

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici